<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H.R. Bishop</author>
<title>Jeso Tompo! Vatolampy. FFPM509</title>
<lyrics>[V1]
 Jeso Tompo ! Vatolampy,
 Vato voafantina,
 Mba ho fanorena-mafy
 Izay tsy mety levona;
 // Vato mafy //  (in-2)
 Dia itokianay.

[V2]
 Jeso Tompo ! Vatolampy
 Voazaha toetra ;
 Vato tsy mba misy tsiny,
 Sady tsara endrika.
 // Vato soa //  (in-2)
 Dia ifalianay.

[V3]
 Jeso Tompo ! Vatolampy,
 Vato fehizoronay ;
 Efa nampiray fanahy
 Ny fitianao anay
 // Fehizoro //  (in-2)
 Vato fampiraisana.

[V4]
 Jeso Tompo ! Vatolampy,
 Tsy miova Hianao ;
 Manan-jara ny matoky
 Ny tsy fivadihanao
 // Fa ho faly //  (in-2)
 Ka tsy hanan-kenatra.</lyrics>
<hymn_number>509</hymn_number>
</song>